Jeremia 29:11-16 Malagasy Bible (MG1865)

11. Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.

12. Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.

13. Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.

14. Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.

15. Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.

16. Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanĂ na ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.

Jeremia 29