6. Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanĂ na ity indray.
7. Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
8. Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin'ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin'ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
9. Ny amin'ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin'i Jehovah tokoa izy.
10. Dia nesorin'i Hanania mpaminany ny zioga tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ka notapahiny.