32. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin'ny faran'ny tany;
33. Ary amin'izany andro izany Ny voavonon'i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin'ny faran'ny tany anankiray ka hatramin'ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin'ny tany.
34. MidradradradrĂ , ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
35. Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin'ny ondry tsy hanam-pahafahana.
36. Injany! misy feo fitarainan'ny mpiandry ondry sy fidradradradran'ny zokiny aminy! Satria efa nosimban'i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
37. Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.