Jeremia 25:10-21 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.

11. Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.

12. Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin'ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.

13. Ary hotoviko amin'izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity, izay novinanin'i Jeremia hamely ny firenena rehetra.

14. Fa ireo kosa indray dia hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tànany avy izy.

15. Fa izao no nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.

16. Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.

17. Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan'i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan'i Jehovah ahy,

18. dia Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin'izao anio izao;

19. ary Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoakany rehetra,

20. ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tanin'ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;

21. ary Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona,

Jeremia 25