1. Izao no teny tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny Joda rehetra tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona
2. dia izay nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'ny Joda rehetra sy tamin'ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:
3. Hatramin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
4. Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe: