Jeremia 23:37-40 Malagasy Bible (MG1865)

37. Izao no hanontanianareo amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?

38. Fa raha hoy ianareo: Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan'i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan'i Jehovah,

39. Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanĂ na izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;

40. Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.

Jeremia 23