Jeremia 23:23-40 Malagasy Bible (MG1865)

23. Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?

24. Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.

25. Efa reko ny nolazain'ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin'ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.

26. Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?

27. Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin'ny nofiny izay lazainy amin'ny namany avy, toy ny nanadinoan'ny razany ny anarako noho ny amin'i Bala?

28. Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? hoy Jehovah.

29. Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?

30. Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin'ny namany avy.

31. Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.

32. Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.

33. Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.

34. Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.

35. Samia manontany amin'ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin'i Jehovah? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?

36. Fa ny hoe: Ny entan'i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin'ny olona avy ihany no ho entan'ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin'Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitsika.

37. Izao no hanontanianareo amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?

38. Fa raha hoy ianareo: Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan'i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan'i Jehovah,

39. Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;

40. Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.

Jeremia 23