1. Ary Pasora, zanak'i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, raha nandre an'i Jeremia naminany izany zavatra izany,
2. dia namely an'i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin'ny boloky hazo izay teo am-bavahadin'i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan'ny tranon'i Jehovah.
3. Ary nony ampitso, dia nesorin'i Pasora tamin'ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy nataon'i Jehovah hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-misabiba.
4. Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an'ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon'ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan'ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin'ny sabatra.