Jeremia 17:10-19 Malagasy Bible (MG1865)

10. Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany

11. Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany.

12. Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika.

13. Ry Jehovah, Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin'ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah, loharano velona.

14. Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.

15. Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.

16. Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian'ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin'ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.

17. Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin'ny andro fahoriana Hianao!

18. Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.

19. Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin'ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan'ny mpanjakan'ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema

Jeremia 17