Jeremia 16:19-21 Malagasy Bible (MG1865)

19. Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan'ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.

20. Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.

21. Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.

Jeremia 16