Jeremia 14:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny mosary.

2. Misaona ny Joda, ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin'ny tany; Ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.

3. Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin'ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.

4. Noho ny fangentan'ny tany, noho ny tsy nilatsahan'ny ranonorana taminy, dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.

5. Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, raha miteraka, dia mahafoy noho ny tsi-fisian'ny ahi-maitso.

6. Ary ny borikidia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian'ny ahitra.

7. Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.

8. Ry Fanantenan'ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin'ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin'ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?

9. Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.

10. Izao no lazain'i Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany.

Jeremia 14