Jeremia 13:24-27 Malagasy Bible (MG1865)

24. Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra.

25. Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin'ny lainga.

26. Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, mba hisehoan'ny henatrao.

27. Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?

Jeremia 13