Jaona 9:9-28 Malagasy Bible (MG1865)

9. Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.

10. Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masonao?

11. Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.

12. Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.

13. Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo.

14. Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.

15. Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.

16. Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.

17. Ary hoy indray izy tamin'ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.

18. Ary amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin'ilay nahiratra

19. ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?

20. Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;

21. fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.

22. Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga.

23. Izany no nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.

24. Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.

25. Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.

26. Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?

27. Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?

28. Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy.

Jaona 9