Jaona 9:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.

2. Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?

3. Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.

Jaona 9