Jaona 8:28-47 Malagasy Bible (MG1865)

28. ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.

29. Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.

30. Raha nanao izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy.

31. Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;

32. ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.

33. Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?

34. Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.

35. Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva.

36. Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.

37. Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.

38. Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.

39. Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo.

40. Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.

41. Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.

42. Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.

43. Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.

44. Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.

45. Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.

46. Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?

47. Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.

Jaona 8