Jaona 5:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.

2. Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.

3. Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.

5. Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.

6. Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?

7. Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.

8. Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.

9. Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.

Jaona 5