36. Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
37. Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
38. Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany.
39. Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanĂ na izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
40. Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.