Jaona 4:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona

2. (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),

3. dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.

4. Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy.

5. Dia tonga tao an-tanĂ na anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany.

6. Ary teo ilay fantsakan'i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.

Jaona 4