Jaona 20:9-25 Malagasy Bible (MG1865)

9. Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.

10. Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.

11. Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana

12. ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.

13. Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.

14. Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.

15. Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.

16. Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.

17. Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo.

18. Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.

19. Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.

20. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.

21. Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.

22. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;

23. na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.

24. Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.

25. Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.

Jaona 20