Jaona 2:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy.

2. Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady.

3. Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.

4. Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.

5. Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.

Jaona 2