Jaona 19:16-28 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary tamin'izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana. Dia noraisin'ireo Jesosy;

17. ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin'ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Golgota.

18. Teo no nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.

19. Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin'ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY.

20. Ary izany anarana izany dia novakin'ny Jiosy maro, fa akaikin'ny tanĂ na ny tany izay nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin'ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.

21. Ary noho izany ny lohan'ny mpisorona tamin'ny Jiosy dia nanao tamin'i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan'ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jiosy Aho.

22. Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.

23. Ary rehefa voahombon'ny miaramila tamin'ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany.

24. Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an'izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko (Sal. 22. 18). Izany zavatra izany no nataon'ny miaramila.

25. Ary nijanona teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin'i Klopa, sy Maria Magdalena.

26. Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin'ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!

27. Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin'izany ora izany dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.

28. Ary rehefa afaka izany, dia fantatr'i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin'izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.

Jaona 19