15. Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe izy.
16. Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra an'i Petera niditra.
17. Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i Petera: Moa ianao mba isan'ny mpianatr'io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
18. Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon'arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
19. Ary ny mpisoronabe nanadina an'i Jesosy ny amin'ny mpianany sy ny fampianarany.
20. Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin'izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin'ny synagoga sy ny kianjan'ny tempoly, izay iangonan'ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin'ny takona;
21. koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
22. Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an'i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe?
23. Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24. Ary dia nasain'i Anasy nentina tamin'ny fatorany ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe Izy.