1. Rehefa voalazan'i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin'ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran'izy sy ny mpianany.
2. Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin'ny mpianany.
3. Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4. Ary satria fantatr'i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin'ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
5. Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.