Jaona 15:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.

7. Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.

8. Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.

9. Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo.

10. Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.

11. Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.

12. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

13. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

14. Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.

15. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.

16. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.

Jaona 15