35. Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
36. Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
37. Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
38. mba hahatanteraka ny teny nataon'Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah? (Isa. 53. 1.)
39. Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
40. Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10).
41. Izany teny izany no nolazain'Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
42. Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.
43. Fa tia ny voninahitra avy amin'ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.
44. Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
45. Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
46. Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy.
47. Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
48. Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany,