Jaona 12:34-42 Malagasy Bible (MG1865)

34. Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?

35. Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.

36. Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.

37. Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,

38. mba hahatanteraka ny teny nataon'Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah? (Isa. 53. 1.)

39. Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:

40. Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10).

41. Izany teny izany no nolazain'Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.

42. Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.

Jaona 12