Jaona 12:27-39 Malagasy Bible (MG1865)

27. Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin'ity ora ity;

28. Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.

29. Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.

30. Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan'izany feo izany, fa noho ianareo.

31. Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina.

32. Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.

33. Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.

34. Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?

35. Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.

36. Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.

37. Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,

38. mba hahatanteraka ny teny nataon'Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah? (Isa. 53. 1.)

39. Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:

Jaona 12