Jaona 12:15-35 Malagasy Bible (MG1865)

15. Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9).

16. Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.

17. Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty.

18. Ary izany koa no nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.

19. Ary tamin'izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.

20. Ary nisy Grika sasany tamin'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro firavoravoana,

21. ary izy ireo nankany amin'i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesosy izahay.

22. Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin'i Jesosy.

23. Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona.

24. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.

25. Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay.

26. Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.

27. Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin'ity ora ity;

28. Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.

29. Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.

30. Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan'izany feo izany, fa noho ianareo.

31. Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina.

32. Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.

33. Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.

34. Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?

35. Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.

Jaona 12