Jaona 12:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty.

2. Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy.

3. Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.

4. Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:

5. Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?

Jaona 12