36. Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy!
37. Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
38. Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
39. Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
40. Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?
41. Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray รด, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.