Jaona 11:16-23 Malagasy Bible (MG1865)

16. Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.

17. Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.

18. Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadio no elanelany.

19. Ary maro tamin'ny Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin'ny anadahiny.

20. Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.

21. Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.

22. Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.

23. Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.

Jaona 11