1. Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny.
2. Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
3. Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.