Jaona 1:48-51 Malagasy Bible (MG1865)

48. Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy ianao.

49. Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby รด, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely.

50. Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.

51. Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.

Jaona 1