Jaona 1:4-14 Malagasy Bible (MG1865)

4. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.

5. Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.

6. Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.

7. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.

8. Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.

9. Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao.

10. Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.

11. Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.

12. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

13. dia ireo izay tsy nateraky ny rĂ , na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.

14. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

Jaona 1