31. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano.
32. Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
33. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina.
34. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.
35. Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
36. ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra!
37. Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy.
38. Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?
39. Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay.
40. Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy.
41. Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
42. Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)
43. Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
44. Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera.
45. Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta.