19. Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
20. Ary nilaza marina izy ka tsy nandĂ , fa hoy ny filĂ zany: Tsy izaho no Kristy.
21. Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
22. Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
23. Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany.
24. Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo.
25. Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
26. Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
27. dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
28. Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa.
29. Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!
30. Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
31. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano.
32. Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
33. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina.
34. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.