Jaona 1:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

2. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.

3. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

4. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.

5. Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.

6. Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.

Jaona 1