Jakoba 5:4-10 Malagasy Bible (MG1865)

4. Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.

5. Efa velona tamin'ny fy tetỳ ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo.

6. Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy.

7. Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.

8. Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.

9. Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.

10. Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.

Jakoba 5