3. Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.
4. Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
5. Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro.
6. Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34).
7. Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
8. Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
9. Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
10. Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.