Jakoba 1:3-14 Malagasy Bible (MG1865)

3. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

4. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.

5. Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.

6. Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.

7. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:

8. olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.

9. Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;

10. fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.

11. Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany.

12. Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.

13. Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;

14. fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.

Jakoba 1