1. Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana.
2. Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo,
3. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
5. Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
6. Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
7. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:
8. olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.