1. Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
2. Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
3. Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin'ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny tanimanga,
4. Dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany,
5. Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
6. Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo