Isaia 64:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia tahaka ny fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.

2. Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.

3. Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren'ny olona, na nohenoiny, Na hitan'ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an'ny miandry Azy afa-tsy Hianao.

4. Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin'ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin'ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?

5. Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drĂ  ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,

Isaia 64