Isaia 63:5-10 Malagasy Bible (MG1865)

5. Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.

6. Nanitsaka firenena tamin'ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.

7. Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.

8. Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.

9. Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.

10. Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.

Isaia 63