Isaia 62:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.

2. Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin'ny vavan'i Jehovah;

3. Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok'andriana eo am-pelatanan'Andriamanitrao.

4. Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.

5. Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao.

Isaia 62