1. Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
2. Halalaho ny itoeran'ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
3. Fa hitatra any amin'ny ankavanana sy any amin'ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanĂ na lao.
4. Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
5. Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
6. Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.