Isaia 53:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?

2. Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.

3. Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.

4. Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.

5. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.

Isaia 53