8. Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona.
9. Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an'i Jerosalema.
10. Jehovah efa nampiseho ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra; ary ny faran'ny tany rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitsika.
11. MialĂ , mialĂ ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah.
12. Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.