Isaia 52:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.

6. Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.

7. Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!

8. Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona.

9. Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an'i Jerosalema.

Isaia 52