4. Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
5. Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
6. Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
7. Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drĂ ; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.
8. Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo!